Romana 8:26-34

« Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika, fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin’ny fitarainana tsy azo tononina…Kristy Jesosy… mitoetra eo amin’ny tànana an-kavanan’ Andriamanitra ary mifona ho antsika… »

Zava-dehibe tokoa amintsika ny mahalala fa misy Roa mahery indrindra mivavaka ho antsika. Misaotra an’ Andriamanitra isika noho ny isian’ny olona mivavaka ho antsika. Harena be vava ananantsika ireny. Voalaza eo aloha fa misy koa Roa mivavaka ho antsika – na dia ohatra ka tsy misy olona mivavaka ho antsika aza – dia tsy mba mahantra isika manana ireo Roa ireo. Isika kristiana rehetra manana ny tsara indrindra sy mahery indrindra.

Ity kristiana anankiray dia nanonofy nahita ny tany mihevaheva eo amin’ny habakabaka. Ary, avy eo amin’ny tany dia misy kofehy madinika be mihazona azy. Azon’ilay nanonofy ny heviny dia izao: Vavaky ny kristiana rehetra ireo, ka mihazona ny tany tsy ho levona. Hitany anefa ny antony fa misy tady vy roa mifanolana mafy ao anatin’ireo tady madinika ireo.

Ary fantany ny hevitr’ireo dia izao: Ny vavaka ataon’i Jesosy sy ny Fanahy Masina ho antsika no hevitr’ireo tady vy matanjaka ao anatin’ny tady madinika ireo, ary mihazona izao tontolo izao tsy ho levona. Isaorana Andriamanitra noho ireo tady vy ireo. Mihazona na miaro antsika tsy ho simba izy ary mitantana antsika amin’izay rehetra alehantsika. Raha tsy ireo dia efa nisy loza nihatra tamintsika.

Laisser un commentaire