Isaia 49:16

« Indro, efa vitako tombon-kavatsa eo am-pelan-tànako hianao. »

Andriamanitra manao ohatra tena mahafinaritra ilazany amintsika zava-dehibe tsara tokoa. Raha misy zavatra soratana amin’ny ravin-taratasy dia mety very na hadino. Fa izay voasoratra raikitra amin’ny tànana dia manaraka mandrakariva ny tompon’ny tànana misy azy ary tsy hadino.

Voasoratra amin’ny felan-tànan’ Andriamanitra hianao ary satria miasa mandrakariva Izy dia tsaroany hianao, ka dia manao izay tena hahasoa anao.

Raha niteny izany tamin’ Isaia Andriamanitra mainka fa amintsika izay mahalala fa voafantsika ny tànany. Amin’ny holatry ny tànan’i Jesosy nohomboana tamin’ny hazo fijaliana no misy tombo-kavatsa ahatsiarovana anao. Akaiky Azy tokoa hianao ary tsaroany am-pangoraham-po. Avelany ny helokao rehetra. Mahery ny fitiavany anao.

Laisser un commentaire