« Tamin’ny nitombohan’ny fivavakao dia nisy teny nivoaka, ka dia tonga hanambara aminao aho, satria malala indrindra hianao; koa diniho ny teny. » Tamin’ny niantombohan’ny fivavako! Misy zavatra nangatahinao tanatin’ny fotoana lava, nefa tsy nisy valiny. Hoatry ny natao tamin’ny rivotra fotsiny…