« Ka tsy mba ho taitra izay mino. »
Mahay mandanja hevitra ny olo-mino, miadam-po ary tsy be ahiahy. Tsy mampiadana kosa fa mahatonga ahiahy sy fo mora taitra ny tsi-finoana.
Mampiseho ny hakelin’ny finoana ny tsi-faharetana amin’ny vavaka. Ny fanerena an’ Andriamanitra hamaly vavaka dia mety hatao hoe: Mitolona amin’ Andriamanitra. Nefa misy fanerena an’ Andriamanitra hamaly ny vavaka atao noho ny sitrapon’izy tenany mangataka fotsiny ka vokatry ny fitebitebin’ny fo.
Manambara ny hakelin’ny finoana koa ny tsi-fiadanan-tsaina. Ny anton’ny haben’ny tahotra sy ahiahy dia ny tsi-finoana. Tena tsi-fitokisana an’ Andriamanitra ny fanahiana. Misy miasa mafy sy misahirana tokoa ao amin’ny fampandrosoana ny fanjakan’ Andriamanitra, nefa amin’ny herin’ny tenany ihany, fa tsy miankina amin’ Andriamanitra sy ny Fanahy Masina. Ny hisehoan’ny sasany amin’ny fahazotoana fatratra ny asan’ Andriamanitra dia ara-nofo ihany no isehoany, itadiavany dera aman-daza amin’olona. Maro amin’ny mpanompon’ Andriamanitra no misasatra ka lany hery amin’ny asan’ny Tompo satria miankina amin’ny herin’ny tenany fa kely ny fitokisany an’ Andriamanitra.
Tsy taitra na tsy maika ny mino. Hainy ny miandry an’i Jehovah. Matetika ny teny hoe mino dia hoe miandry. Ka raha miasa ny mino dia ataony amim-piadanana izany, satria matoky an’ Andriamanitra izy. Ny olo-mino, na miasa na miala sasatra, na ao anatin’ny adim-panahy na miadana, dia mianina izy, fa Andriamanitra no tena momba sy manampy azy.