« Koa hatanjaho ny tànana miraviravy sy ny lohalika malemy; ary manaova làla-mahitsy halehan’ny tongotrareo, mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa, fa ny mba hahasitrana azy kosa. »
Alohan’ireto teny ireto dia nisy teny milaza ny fijaliana. Mety mahatonga ny olona ho kivy sy mamoy fo ny fijaliana. Ny tànana miraviravy dia maneho famoizam-po sy tsi-fiasana. Ny lohalika malemy dia manambara fahosana ka ijanonana tsy anaovan-javatra. Idiran-doza ny olona raha azon’ny toetra tahaka izany. Noho Andriamanitra sy noho ny olona dia tsy maintsy hataontsika izay azontsika atao mba tsy ho azon’izany. Eny, noho isika tenany koa aza, fa ho ratsy fiafara isika raha tsy ho afaka amin’izany.
Aoka tsy hampamoy fo anao ny fijaliana. Avy amin’Andriamanitra izany noho ny Fitiavany anao. Fitaizana hahasoa anao no kendreny amin’izany noho ny Fitiavany anao. Fitaizana hahasoa anao no kendreny amin’izany. Ny hahatsara anao ihany no Tiany. Mahasoa ny famaizana. Hitan’ Andriamanitra fa mila izany koa hianao. Noho izany dia hatanjaho ny tànana miraviravy sy ny lohalika malemy. Mahereza! Mandrosoa! Manomboha indray, fa momba ano Andriamanitra. Aza avela hihozohozo ny fandehanao.