« Indro, efa vitako tombon-kavatsa eo am-pelan-tànako hianao. » Andriamanitra manao ohatra tena mahafinaritra ilazany amintsika zava-dehibe tsara tokoa. Raha misy zavatra soratana amin’ny ravin-taratasy dia mety very na hadino. Fa izay voasoratra raikitra amin’ny tànana dia manaraka mandrakariva ny tompon’ny tànana…