« Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko. »
Oadray! Misy zavatra tokony ho nataontsika nefa tsy nataontsika. Raha voasoratsika amim-boky ny asantsika isan’andro dia ho hitantsika ny fanaovantsika tsirambina amin’ny asa sasany rariny ho nataontsika. Eny, hofantantsika amin’izany koa, fa ny andro tsirairay samy voapentin’ny fanaovantsika tsirambina amin’ny adidy tokony hefaintsika.
Maro ny olona nijaly noho ny tsy ahitany izay mba hampifaly sy hikarakara azy, satria vitsy no azo lazaina ho tena manam-pitiavana. Izay hany maneho fitiavana marina sady isehoan-kafanampo tokoa dia izay efa nanolo-tena ho olon’ Andriamanitra hisehoan’ny fitiavana. Inona no avy aminao; hafanana sa hatsiaka?
Maro koa ny olona maty fanahy. Tsy manana an’ Andriamanitra izy ka dia tsy manana fanantenana ny fahasambarana any an-koatra. Hianao izay manana an’ Andriamanitra dia manana fanantenana. Manao izay azonao atao va hianao mba hananan’ny olon’izao tontolo izao fanantenana? Ananan’ny olona maro trosa hianao noho ny tsy nahavitanao ny adidinao taminy. Moa vonona hanefa izany trosa izany va hianao? Raha mety hianao dia homen’ny Tompo hery.