» Tamin’ny alàlany koa no efa nahazoantsika fanatonana amin’ny finoana ho amin’izao fahasoavana itoerantsika izao. »
Ny hoe kristiana, dia ny mitoetra amin’ny fahasoavana, na hoe: velona sy miaina ary mihetsiketsika ao anatin’ny fahasoavana.
Nefa na dia izany aza dia mety ho tafiditra ao anatin’ny fotoana maizina ihany ny kristiana marina ka manontany tena hoe: Mbola misy ho ahy va ny fahasoavan’ Andriamanitra, ary mahazo matoky va aho fa mbola misy ho ahy izany?
Eny! Henoy ange izao teny mahafaly izao: Tamin’ny alàlany no efa nahazoana fanatonana ho amin’izao fahasoavana itoeranao izao, izany hoe: hianao izay mitoetra ao amin’ny fahasoavana dia mahazo manatona ny fahasoavana. Koa amin’izay rehetra ilainao, amin’ny itadiavanao famelan-keloka, amin’ny amitanao ny adidinao, amin’ny haherezan’ny faha-kristianinao, amin’ny anaovanao ny asanao andavanandro, eny, amin’ny raharahanao tontolo, dia azonao hanatonana an’ Andriamanitra hanomezany fahasoavana anao, dia fahasoavana maimaimpoana tsy hita lany.
Tsy lavitra ny làlana haleha handraisana ny fahasoavana. Ny Soratra Masina milaza fa mitoetra ao amin’ny fahasoavana hianao. Ny anjaranao dia ny mandray azy hoa anao. Miaina ao anatin’ny rivotra hianao ka dia mahazo mifoka azy ho ao anatinao.
Isaorana anie Andriamanitra noho ny fahazoana hanatona handray ny fahasoavany tsy hita lany.