« Mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny Izy. »
Mahery Andriamanitra. Iza no maharefy ny heriny tsitoha! Ny zavatra rehetra, dia ny zavatra rehetra misy, na hitan’ny masontsika na tsy hitan’ny masontsika dia hazoniny. Ny zava-boahary rehetra dia ao an-Tànany ka entiny.
Raha mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny Izy, moa isalasalanao va ny hoe: Mitondra anao Izy? Tena tsy rariny ny isalasalanao amin’ny herin’ Andriamanitra.
Izy izay mihazona ny zavatra rehetra dia mahatondra anao mbamin’ny anao rehetra. Mitondra ny fahotanao Izy ka mamela ny fahotanao. Ny fanahianao sy ny aretinao mbamin’ny adidy sy andraikitrao dia tiany ho entina avokoa. Tsy misy fetra ny herin’ny Teniny. Tena kely bitika tokoa hianao, saiky ho tsinontsinona sahala amin’ny fasika anankiray raha ampitahaina amin’ny tany tontolo mbamin’ny zavatra rehetra eo aminy. Ny ahiahinao indray dia hoatry ny vovoka kely eo amin’ilay fasika kely anankiray. Ka raha ny zavatra tontolo aza voahazon’ Andriamanitra amin’ny herin’ny Teniny, moa tsy ho azony atao va ny mitondra ilay fasika anankiray misy ny vovoka kely bitika?
Miankiina amin’ Andriamanitra hianao, ka matokia Azy, fa lehibe tsy takatry ny saina ny hery itondrany izao tontolo izao.