Jaona 10:41-42

« Jaona tsy mba nanao famantarana, nefa izay rehetra nolazainy ny amin’ity Lehilahy ity dia marina avokoa. Ary maro no nino Azy teo. »

Jesosy nilaza fa Jaona Mpanao batisa no lehibe indrindra amin’izay nateraky ny vehivavy. Jaona kosa nilaza ny tenany fa ambany dia ambany, ka tsy mendrika hamaha ny fehin-kapan’i Jesosy aza.

Jaona tsy mba nanao famantarana, hoy ny teny eto. Ny asa lehibe sy madera, tsy araka ny miseho andavanandro, izay mahagaga ny olona, dia tsy nataony. Fa ny nataony dia ny nanambara amim-panetretena an’i Jesosy. Ary izay rehetra nolazain’i Jaona dia marina avokoa. Natoky azy ny olona. Tsy maivana ny teniny. Tena lehilahy no niteny. Ny fiainan’i Jaona, ny tenany manontolo, dia nanamafy izay nolazainy. Noho izany dia nino an’i Kristy ny olona noho ny fanambarana nataony.

Tompo ô, izaho koa tsy mahavita fahagagana. Ary tsy misy soa mendri-koderaina miseho amin’ny fiainako. Nefa enga anie ka ho hitan’ny olona fa marina ny fanambarako Anao, ary mba hifanaraka amin’ny teniko ny fiainako hinoan’ny olona maro Anao!

Laisser un commentaire