» Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. »
Miseho amin’ny asa ny fitiavana marina. Maro ny teny manambara fitiavana atao an-kafanam-po. Nefa rehefa tonga ny fotoana ilana ny fandavan-tena sy ny fijaliana izahan-toetra ny fitiavana, dia hita fa teny foana ihany. Ny fitiavan’ny olon’izao tontolo izao mazàna be tokoa amin’ny teny fa kely dia kely amin’ny asa.
Ny fitiavan’ Andriamanitra antsika kosa dia tsy vitan’ny teniny fotsiny, fa ny fanavotana nataon’i Jesosy no manambara azy. » Fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. »
» Toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahitokana. »
Hisolo ny mpanota no anton’ny nahafatesan’ i Jesosy. Ny tsy manan-draharaha amin’ Andriamanitra sy izay feno fankahalana Azy aza dia tena tiany koa. Tsy miala ny fitiavany ny olombelona, na dia mahavita fahadisoana be tokoa aza izy, eny na dia efa manjary devoly aza. Ny fahafatesan’i Jesosy dia porofo tsy azo lavina mampiseho ny fitiavan’ Andriamanitra antsika.
Zava-dray loha tena tokony hitokisan’ny mpanota faraidina indrindra, dia izao: Tia azy Andriamanitra.