« Tamin’ny nitombohan’ny fivavakao dia nisy teny nivoaka, ka dia tonga hanambara aminao aho, satria malala indrindra hianao; koa diniho ny teny. »
Tamin’ny niantombohan’ny fivavako! Misy zavatra nangatahinao tanatin’ny fotoana lava, nefa tsy nisy valiny. Hoatry ny natao tamin’ny rivotra fotsiny ny fangatahanao, fa tsy misy vokatra.
Nefa tsy izany akory. Vantany vao nanomboka ny fivavahanao hianao, dia mby eo an-tsofin’ Andriamanitra ny vavakao. Ary voaomany ny valiny. Angamba mbola tsy maintsy miandry ny fotoana hanomezany ny valiny hianao. Tsy mora akory ny mamantatra ny fotoam-boatendrin’ Andriamanitra. Amin’ny fotoana iandrasanao dia tohizo ny fivavahana. Ary aza ketraka, fa mahareta. Hampianatra zavatra anao ny fotoana iandrasanao ny valiny. Alohan’ny ianaranao ny zavatra kendrena hianarana dia tsy ho valiana ny fangatahanao.
Nefa aoka ho fantatrao mandrakariva: Vantany vao nanomboka nivavaka hianao dia ren’ Andriamanitra ary nomaniny ny valiny.