« Fa mba hohavaozina kosa hianareo amin’ny fanahin’ny sainareo. »
Mbola miaina amin’ny toetra taloha ihany ny kristiana maro. Tsy mbola miboiboika avy ao ankibony ny rano velona. Ara-pahazarana fotsiny ny fivavahana ataony. Fomba ihany no amakiany ny Soratra Masina. tsy misy afo masina ao am-pony, tsy misy fihobiam-pamonjena. Mantamanta ny fiainan-kristiana aminy. Mafy ny fony, ka zava-poana ihany no ao anatiny.
Nefa isaorana anie Andriamanitra fa azo atao ny manolo-tena hohavaozina, araka ny hoe: aoka hohavaozina hianareo amin’ny fanahin’ny sainareo.
Ao am-po no tsy maintsy hahatongavan’ny fanavaozana, fa tsy maintsy ho vaovao koa ny saina. Raha malazolazo na maty ny fanahin’ny olona, dia ao amin’ny fony na sainy no misy izany. Raha hanana fiainam-panahy vaovao ny olona, dia avy ao am-pony no isehoan’izany. Andriamanitra ihany no mahay manavao ny olona. Ary mahavita izany tokoa Izy, koa manatoona Azy toy ny efa nanatonanao Azy taloha. Raha manetry tena avy amin’ny halalin’ny fonao hianao, dia hanavao anao Izy.
Aza hadinonao anefa fa mila fihavaozana isan’andro hianao. Hoy ny teny eto hoe: « Aoka hohavaozina ny fanahin’ny sainareo. » Ry Tompo ô, havaozy aho!