Isaia 46:4

« Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho. Ary mandra-pahafotsivolonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao ka Izaho ihany no hitrotro, eny, Izaho no hitondra sy hanafaka. »

Voalaza eto hoe: Mandra-pahantitrareo. Ity teny fampanantenana nataon’ i Jehovah ity dia ho an’ny olona rehetra, na antitra na tanora.

Manatona isan’andro ny fasana isika. Lava ny làlana efa nilaozantsika, fa mihafohy ny mbola hodiavina. Miova sy mihareraka isika, na dia tsy fantatsika aza izany. Isan-taona dia misy mariky ny fandrosoan’ny fahanterana izay tsy azo esorina amintsika.

Tsy miova anefa Andriamanitra. Raintsika mahatoky Izy. Tsy tofoka antsika na oviana na oviana Izy ary tsy mandroaka antsika. Mangoraka antsika noho ny fitiavany Izy. Tsy miova ny fikarakarany amim-pitiavana antsika. Ny fitondran’ Andriamanitra ahy fony mbola zaza no fitondrany ahy rehefa antitra.

« Mandra-pahafotsivolonareo dia hitondra anareo Aho » hoy Izy. « Efa nanao izany Aho, ary te-hanao izany mandrakariva. Hitrotro anareo Aho, hitondra anareo ary hanafaka anareo.

Laisser un commentaire