Filipiana 3:13-14

 » Fa zavatra iray loha no ataoko: manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny miezaka hanatratra ny marika aho. »

Zavatra iray loha no ataoko. Iray ihany. Ahazoana hery ny ieritreretana mafy ny zavatra tsara iray loha. Mampivezivezy ny saina sy manalemy azy kosa ny iheverana zavatra maro indray mandeha.

Ny hery sy ny fitiavana ary ny fahazotoana mbamin’ny zavatra rehetra ananana dia ho entina hanatratrarana ny zavatra iray loha tiana ho azo. Havela kosa ny zavatra hafa kendrena afa-tsy io iray loha io. Tsy mampanahy ny handany na ny holanina aza mba hahazoana ilay zavatra iray loha sarobidy. Sarotra anafa ny ahatratrarana azy, ka raha mivezivezy ny saina fa tsy mifantoka tsara amin’ilay zavatra iray kendrena, dia tsy tratra izy.

Zavatra iray loha no ataoko, hoy ny Apostoly Paoly. Aoka ho zavatra iray loha ihany no hataontsika sy ho sainintsika, dia ny hiezaka tahaka azy hanatratrarantsika ny lanitra sy hahazoantsika ny lokan’ny mpandresy.

Laisser un commentaire