1 Korintiana 3:7

« …fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy. »

Ahazoana fampiononana lehibe tokoa ity teny ity. Azo lazaina hoe: Samy manana tanimboly kely ao anatin’ny sahan’ Andriamanitra isika rehetra. Hamboly amin’io sy handena voly ao isika ary hikarakara izay hahavanona izany voly izany.

Nefa ny mampaniry ny voa sy mampitombo azy dia Andriamanitra.

Ny tadiavina aminao dia ny toetra mahatoky. Izany no adidinao voalohany indrindra. Raha hampamoahina ny amin’ny asanao amin’ny andro farany hianao, dia tsy ny vokatry ny asanao no tampondohan-javatra takiana aminao, fa izao: Nahatoky va hianao sa tsia?

Mavesatra ihany izany adidy izany. Nefa vao mainka mavesatra kokoa raha ny vokatry ny asa no ambony indrindra izay hotakiana aminao. Raha tsy misy vokatra ny asako, dia marina fa tokony hamantatra ny tenako aho, ka hanetry tena eo anatrehan’ny Tompo. Nefa raha hitako amin’izany famantarako tena izany fa tsy misy fitaka na tsi-fahatokiana amin’ny anaovako ny asako, dia azoko atao ny manohy ny asako amim-pifaliana. Satria ny vokatry ny asa dia miankina indrindra amin’ Andriamanitra tenany. Andriamanitra no mampitombo. Tsy ho maika hitady vokatra aho, fa vonon-kiandry. Ny ho mahatoky no adidiko. Anjaran’ Andriamanitra kosa ny sady mampitombo no mampisy ny vokatra.

Laisser un commentaire