Filipiana 2:3

« …tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na mandrani-tena foana, fa amin’ny fanetre-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany. »

Teny ratsy ny hoe fifampiandaniana, ary saiky mihevi-tena ho tsy azon’izany ny olona maro. Kanefa tsy vitsy akory no mitana izany am-pony. Ny fifampiandaniana dia avy amin’ny faniriana hanohitra lava noho ny tsi-fitiavana.

Maro koa ny olona mihevi-tena ho tsy mandrani-tena foana, kanjo izany no ataony amin’ny ikelezany aina hahavita zavatra betsaka, saingy tsy fantany izany. Ny olona mandrani-tena foana dia mila sitraka na dera avy amin’ny olona ka miseho ho tsy araky ny tena toetrany ny fisehony amin’ny ilany dera na sitraka.

Soloy saina feno fanetre-tena sy be fitiavana izany toetra izany. Aza mihevitra loatra ny tenanao. Ny fanam-bonian-tena sy ny fiheverana ny tena be loatra no fototry ny fitiavan-kanohitra sy ny fitsiriritam-boninahitra. Hevero ho ambony noho hianao ny namanao, dia ho sambatra kokoa hianao.

Laisser un commentaire