Josoa 21:45

 » Tsy nisy latsaka na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain’ i Jehovah tamin’ ny taranak’ Israely, fa tanteraka avokoa izany rehetra izany. « 

Maro tokoa ireo  » zava-tsoa nolazain’ i Jehovah tamin’ ny taranak’ Israely.  » Na dia naditra aza izy, dia milaza teny feno toky taminy Andriamanitra izay nanambarany taminy ny fitiavany. Zava-tsoa tokoa ireny fa nilaza famelan-keloka sy fandeferana. Fiarovana sy fitarihana sady nampanantena fanomezana ho azy. Ary anisan’ ireny fanomezana ireny dia ilay tany Kanana izay niandry azy teo alohany.

Koa mainka tsara sy maro aza ny teny lazain’ Andriamanitra amin’ ny olony amin’ izao androntsika izao. Noho Kristy dia  » mivoha izao ny lanitra « , ary  » misy hanatonana Izay Mpandray mpibebaka « . Sady mamela no manadio ny fahadisoantsika Izy. Lehibe lavitra noho ny fitiavan’ ny ray ny zanany ny Fitiavany sy Fikarakarany ny olona. Mangoraka azy ny fony mihoatra noho ny fangorahan’ ny renin-jaza ireo menaky ny ainy. Manda fiarovana ny azy Izy sady fahazavana feno fanantenana manazava ny alina maizina indrindra.
Ary rehefa tonga ny andro hahatratrarantsika ilay tany Kanana mandrakizay, dia hanambara koa isika hanao hoe :  » Ary tsy nisy latsaka na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain’ i Jehovah tamin’ ny taranak’ Israely, fa tanteraka avokoa izany rehetra izany « .

Noho izany, matokia ny teny fampanantenana rehetra ataon’ Andriamanitra amintsika. Matokia Azy anio sy amin’ ny andronao sisa rehetra.

Laisser un commentaire