MATIO 8.23-34
Amin’ny zavaboahary. Tsy mba nanana trano ny Tompo (Matio 8.20 DIEM) fa nahay niala sasatra ary tsy nahasakana azy tsy hatory na ny toerana : an-tsambokely, na ny hamafin’ny rivotra sy ny haben’ny onja. Ny olona mitady famonjena aminy noho ny adim-piainana tsy resiny no nampifoha azy. Tsy mamaha ny olana fotsiny Jesoa fa mampianatra, manome ny lesona tokony ho raisina tamin’ny ady mafy nandalovana : « Aza matahotra, minoa fotsiny ihany ». Ny finoana ihany no ahazoana sitraka avy amin’Andriamanitra (Hebreo 11.6) sy ahazoana mandresy ny fakam-panahy, ny filana, ny adim-piainana, ary ny fahoriana misy eo amin’izao tontolo izao (1 Jaona 5.4-5).
Amin’ny devoly. Betsaka no matahotra ny devoly sy ny asany izay mampahory, manimba, mandrava, mampihorohoro, mampahatahotra, mamono aza, na olona, na biby, na zavatra izay itoerany sy ananany fahefana. Tsy mahavita n’inona n’inona anefa ireo manoloana ny fahefana sy ny herin’i Jesoa. Rehefa eo Jesoa dia tsy afaka manapaka eo ny fanahy ratsy. Fa Jesoa tonga mba « handrava ny asan’ny devoly » (1 Jaona 3.8)Nifona tamin’i Jesoa ireto mponina mba hialany teo amin’ny taniny. Safidy izay hita amin’ny olona maro : aleony ny kisoany, ny raharahany, na dia misy demoniaka manahirana azy aza eo amin’ny taniny. Tsy Jesoa sy ny famonjeny, ny fanafahana sy fahagagana no mavesa-danja aminy fa ny raharahany sy ny harenany. Amin’ny Tompo dia tsy voasanda vola ny famonjena na fanahin’olona iray monja aza.
Safidy hosaintsainina : Harena be miaraka amin’ny ratsy sa Kristy mamonjy ka manafaka amin’ny ratsy mampanankarena.