Joba 16:22

 » Fa efa lasa ny taona vitsy, dia handeha any amin’ ny làlana izay tsy hiverenako intsony aho. « 

Indray mandeha no iainako aty an-tany. Tsy hiverenako na oviana na oviana izay làlana efa nalehako.

Mampieritreritra tokoa izany ! Indrindra amin’ ny iheverako izay làlana nombana dia feno fisentoana ny foko satria tsy haiko ny hamboatra izay fahadisoana rehetra nataoko. Ka ny hany atao dia hilazana amin’ ny Tompo hoe :  » Mifona aho, mamelà dia mamelà ahy ! « 

Nefa mainka mampieritreritra ahy izay làlana mbola hombako isan’andro. Indro misy mpangataka mipetraka amoron-dàlana. Sao handalo azy fotsiny aho. Indro indray misy olona mitondra entana mavesatra. Inona no hataoko hanamaivanana azy ? Ao indray misy anankiray  » azon’ ny jiolahy « . Moa ho  » Samaritana mamindra fo  » aminy va aho ?

Hanao ahoana ny fomba fiainako sy fomba fiteniko ? Inona no handaniako ny hery aman-tanjako ? Inona sy inona avy no adidy tsy ho vitaiko, ary inona sy inona avy ny fahadisoana hataoko ?

Tsy miverina na oviana na oviana ny fotoana efa nanaovana, ary ny làlana efa naleha dia tsy hiverenako intsony.

Ampianaro aho Mba hiambina

Ampaherezo mafy aho Mba ho malina

Laisser un commentaire