Lioka 2:29-30

 » Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ ny fiadanana, fa ny masoko efa nahita ny famonjenao « .

Tsy ny olona rehetra no mahazo miala amin’ ny fiadanana rehefa handao ity tany ity. Izay miaina lavitra an’ Andriamanitra ka tsy mihavana amin’ ny namany ary tsy mahazo famelana ny helony vao maty, dia amin’ ny tsi-fiadanana no hahalasanany. Izay tsy mahalala ny fiadanan’ Andriamanitra raha mbola aty, dia tsy hahita azy any an-koatra.

Simona dia mahalala azy ka afaka nilaza tam-pifaliana hoe :  » Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ ny fiadanana.  » Tsy hisy izay nahatana azy intsony, ary tsy nisy izay tsy nilamina. Nangataka ny ho lasa aza izy. Ny nahasahiany hanao izany dia izao ihany :  » Ny masoko efa nahita ny famonjenao « .

Ilay zazakely notrotroin’ ireo tànany antitra no Mpamonjy izao tontolo izao ka Mpamonjy azy koa. Noho izany Mpamonjy izany dia voavela ny helony ka voasarona tsy hita intsony ny fahadisoany rehetra sady voaarina izay zavatra nosimbany. Ary eo anatrehan’ ny fahafatesana, izay tambin’ ny ota mahery indrindra, dia natoky izy fa hahavonjy azy ho afaka ity zazakely ity.

Ry Tompo ô, ataovy izay ahitan’ ny masoko mandrakariva ny famonjenao. Dia ho afaka hiala amim-pifaliana sy amim-piadanana amin’ ity tany ity aho, na dia amin’ ity taona ity aza, eny na dia amin’ izao hariva izao aza.

Laisser un commentaire