Romana 8:32

 » Izay tsy niaro ny Zanani-lahy fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra ? « .

Raha tena mangataka zava-dehibe amin’ Andriamanitra isika, dia mino ihany fa homeny antsika izany. Fa raha zavatra madinika kosa no angatahintsika dia mety ho feno fisalasalana isika fa sao tsy hisahirana ny amin’ izany Andriamanitra.

Hevi-dravina tsy misy fotony izany, hoy ny tenin’ Andriamanitra. Efa nanome porofo lehibe tsy misy hevi-droa manambara ny fitiavany antsika Izy, dia ny nanomezany ny Zanani-lahy Tokana. Tsy notanany ho Azy izany fanomezana lehibe indrindra izany, sady tsy mba noheveriny ny amin’ izay tokony ho mendrika hahazo azy, fa natolony ho antsika rehetra Izy. Koa tsy nomeny antsika miaraka aminy va ny zavatra rehetra na dia izay heverintsika ho madinika aza.

Tena tsy hifanaraka amin’ izay toetr’ Andriamanitra ny handà ho antsika ireny, raha hitany fa hahasoa antsika. Tsy hainy ny tsy hanome izay hitany fa tokony ho antsika.

Mpanan-karena tokoa isika, ka tsy ho very anjara na amin’ inona na amin’ inona. Ananantsika ny zavatra rehetra miaraka amin’ i Kristy.

Laisser un commentaire