Jaona 3:16

 » Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny zanany lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay « .

Fitiavana tsy hita fetra na faritra izany !

Izao tontolo izao izay feno faharatsiana sy fahotana ary fankahalana an’ Andriamanitra no tian’ Andriamanitra. Ny tokony ho rariny hahazo azy dia famaizana sy fanairana fa fitiavana kosa no navaly ny fankahalana ary fahafoizana no navaly ny fitiavan-tena.

Na dia izany aza dia tian’ Andriamanitra ihany izy. Tsy hoe nandefitra amin’ izao Izy, – zava-dehibe koa izany, – fa nanao be lavitra noho izany Izy : tena Tiany izao tontolo izao. Eny, toy izao no nitiavany azy : nomeny ny Zananilahy, dia Ilay Tokana. Izay ambony aminy indrindra ary Izay maminy indrindra no nafoiny ka omeny ho an’ izay nankahala sy nanalavitra Azy.

Ary tsy nataony ho sarotra raisina izany famonjena izany, fandrao hisy izay tsy hahazo azy ka ho very. Finoana ihany no ilaina dia azo ny fiainana mandrakizay.

Fitiavana mahagaga izany ! Dia tsy hisalasala intsony aho, fa iharan’ izany fitiavana izany koa ny tenako.

Laisser un commentaire