Galatiana 3:13

 » Kristy nanavotra anay tamin’ ny ozon’ ny lalàna, satria tonga voahozona hamonjy anay Izy « .

Tena mahafinaritra sy maha-te hihaino ny filazantsaran’ ny Krismasy. Ary rariny raha mankamamy azy indrindra isika. Nefa aoka tsy ho hadinointsika koa ny maha-mahatsiravina azy. Tamin’ iny alina masina indrindra iny no nahafoizan’ i Jesosy ny voninahiny tao amin’ ny Rainy ka nanaovany dian-tongotra voalohany tamin’ ny lalam-pijaliana.  » Ary ny teny dia tonga nofo  » Jaona 1.14.  » na dia nanankarena aza Izy dia tonga malahelo noho ny aminareo  » 2 Korintiana 8.9  » natao ota hamonjy antsika  » 2 Korintiana 5.21  » tonga voaozona hamonjy anay Izy « , hoy ny teny aty ambony.

Tsy hoe  » tany mahafinaritra  » no nidiran’ i Jesosy fa izay toerana nialany sy sy nafoiny kosa dia feno voninahitra indrindra. Ho fanampin’ izany dia tsy nandray azy ity tany ity. Fijaliana hatrany hatrany ny andro rehetra niainany taty. Farany dia voahantona teo amin’ ilay hazo voaozona izay anjaran’ ireo olo-meloka ratsy indrindra Izy.

Fa izany mampahatsiravina ny filzantsaran’ ny Krismasy izany dia tena manambara sy mampiharihary ny halehibeny. Fa noho fitiavana ny tsy misy toa azy izay nitiavany ny olombelona no nanafoanany ny Tenany feno voninahitra. Ka nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manampitoviana amin’ ny olona. (Filip.27). Ary an-tsitrapo no nanaovany izany.
Tonga voaozona hamonjy antsika Izy, ka izany no nanavotany antsika tamin’ ny ozon’ ny lalàna. Ny famaizana namelezana Azy no nahazoantsika fahafahana.

Laisser un commentaire