Matio 1:21

 » Ka hiteraka zazalahy izy, ary ny anarany ataonao hoe Jesosy, fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ ny fahotany « .

Ilay zaza hateraka dia hatao hoe Jesosy. Sady manambara izay toetrany izany no manambara izay ho raharahany. Mpamonjy Izy, tonga hamonjy ny olony ho afaka amin’ ny fahotany Izy.

Raha tsy noho ny fahotana, dia tsy nisy ilay alin’ ny Krismasy. Fa raha tsy nisy mpanota dia tsy nisy nilana Mpamonjy. Noho izany dia ho an’ ny mpanota indrindra ny filazantsaran’ ny Krismasy. Ary tsy misy mahafantatra ny maha izy ny Krismasy afa-tsy izay nanaiky ny tenany ho mpanota.

Fanantenan’ izao tontolo izao ny anaran’ i Jesosy sy kintana fitarikandro ho an’ ny olona miaina amin’ ny ali-maizin’ ny fahotana. Izy no ahazoan’ ny olo-meloka famonjena sy fahafahana, ary izy no ahazoan’ ny voagadran’ ny Satana fanavotana. Izy no hany fanantenana amin’ ny ho avy sy amin’ ny mandrakizay. Raha tsy tonga Jesosy, dia maizim-pito izao tontolo izao. Nefa noho Jesosy dia manjary santatry ny Paradisa ity tany hiainantsika ity.

Laisser un commentaire