» Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Raha fantatrao ny fanomezan’ Andriamanitra « .
Jesosy Kristy no fanomezan’ Andriamanitra, sady fanomezana krismasy.
Ry Andriamanitra ô, ampianaro aho hahalala ny fanomezanao. Maro ny zavatra takiana amiko, ka tena vesaran’ izany aho. Fantatro koa izay takianao amiko, ary efa niezaka hanatanteraka azy aho. Eny, amin’ ny fo tokoa no nanaovako izany sady efa naverimberiko.
Kanefa, ry Andriamanitra ô, fantatrao indrindra ny tsi-fahombiazako. Sahala amin’ ny asan’ i sisifosy ny asa ataoko, ka tsy ho vita na oviana na oviana. Manakodia vato hatao an-tampon’ ny tendrombohitra io lehilahy io, kanefa isaky ny saiky nahatratrarany ny tampony, dia niala tan-tànany ny vato ka nikodiadia nidina, hany ka voatery hamerina indray hatrany hatrany izy. Tsy hafa noho izany ny fikelezako aina ara-panahy.
Sasatry ny fiezahako aho. Tsy zakako intsony izy, fa mamesatra ahy loatra.
Fa amin’ izao ankehitriny izao, ry Andriamanitra ô, dia hatoninao aho fa toloranao fanomezana. Andriamanitra be fahasoavana tsara indrindra Hianao. Izay tsy notratrariko teo aloha noho ny tsi-nahavitako, dia raisiko amin’ ny alàlan’ ny fanomezana avy Aminao izao. Ary ny fahasoavana maimaimpoana no ahazoako azy. Tsy misy zavatra hataoko afa-tsy ny handray ny fanomezana. Manomeza ary, ry Andriamanitra ô, fa tena mila be dia be aho. Ary ataovy izay hahafantarako tsara noho ny teo aloha ny fanomezanao, dia ho krsismasy hahafinaritra indrindra izao.