» Ary manantena amin’ Andriamanitra aho izay antenain’ izy ireo koa, fa hisy fitsanganan’ ny marina sy ny meloka. Ary amin’ izany dia mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin’ Andriamanitra na amin’ olombelona mandrakariva « .
Miara-milahatra eto ny fanantenana sy ny andraikitra. Tonga enta-mavesatra ny andraikitra raha tsy misy ny fanantenana velona, fa manamaivana ny entako kosa ny fiheverako izay azo antenaina.
Raha tsy misy andraikitra anefa dia manjary fohy tsy misy antony ilay fanantenana. Ny ahalalako fa hisy fitsanganana amin’ ny maty no manery ahy hanao izay marina.
Hamoaka ny amin’ ny fiainako rehetra indray andro any aho. Samy hitsangana amin’ ny fasana ny olona rehetra na marina na meloka ka hantsoina ho eo anatrehan’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra. Dia hatao amin’ izay ny fitsarana.
Lozako raha tonga tampoka amiko izany andro izany. Koa dia tsy maintsy hikely aina aho mba hanana fieritreretana tsy hanameloka ahy. Ny iheverako izany andron’ ny famoahana izany no hanampy ahy hiambina sy hitandrina. Sao tsy ho tafatoetra amin’ ny fitsarana aho ! Ry Tompo ô, manampia ahy Hianao. Anio sy amin’ ny androko rehetra !