Galatiana 6:2-5

 » Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn’ i Kristy. Fa samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra. « 

Aza angatahina hitondra ny entanao ny namanao. Ary aza hitarainanao izy raha tsy ataony izany. Aza manantena zavatra avy amin’ ny namanao koa ho an’ ny tenanao hianao; eny, na dia hadinony aza ka tsy ahoany mihitsy dia aza sosotra. Na dia manafintohina anao aza izy dia aoka tsy hitaraina na dia anakam-po ihany aza. Izay voahombo miaraka amin’ i Kristy, dia tsy maintsy ho vonon-ko faty isan-andro.

Fa izao kosa, aoka ho vonona mandrakariva hitondra ny entan’ ny namanao hianao, na dia tsy mitondra ny anao aza izy. Toy izao no toetry ny kristiana marina : manadino ny tenany sy ny entany izy, fa mitady izay hanampiany ny namany mandrakariva sady mazoto hitondra izay mamesatra azy. Izay tsy mahita ny entan’ny namany dia tsy manana ny fitiavan’ i Kristy. Ary izay mahita azy ihany saingy tsy manampy, ahoana no hitoeran’ ny fitiavan’ i Kristy ao aminy.

Didy anankiray no nomen’ i Jesosy antsika, dia ny hifankatiavantsika. Eo am-pitondrana ny entan’ ny namantsika no hahatanterahantsika azy.

Laisser un commentaire