Asan’ ny Apostoly 20:24

 » Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’ i Jesosy Tompo. « 

Ny hahavita ny alehany no tena zava-dehibe amin’ i Paoly. Noheveriny ho tsy vanona mihitsy ny fiainany raha tsy tanteraka an-tsakany sy an-davany izay nikendren’ Andriamanitra azy. Ho foana ny niainany raha tsy vita ilay fanompoana sy fahafoizany rehetra raha tsy tonga amin’ izay nokasain’ Andriamanitra ho tratrariny izy. Inona moa ny soa azony, na dia mpandresy hatrany aza nefa resy ihany amin’ ny fihazakazahana farany ?

Hevero ho zava-dehibe ilay fanompoana napetrak’ Andriamanitra aminao. Tsy zavatra maivana no niantsoany anao. Miezaha araka izay tratry ny ainao hahavitanao ny halehanao. Izao no tadiavin’ Andriamanitra aminao : fahononan-tena, fahafoizana, fahazotoana sy sitrapo ho entina hanao. Marina fa tsy ho vitan’ ny sitraponao irery ihany izy ity, fa ny herin’ Andriamanitra no mahavita. Tsy mahavita koa anefa ny herin’ Andriamanitra raha toherinao amin’ ny sitraponao ny Sitrapony. Koa manolora tena ho tarihiny hianao. Ary tandremo fandrao ho voan’ ny tsy firaihana amin’ ny fanompoanao hianao, ka haharesy anao izany. Tsy hahavita ny alehanao hianao raha avelanao halazolazo ny sitraponao. Ary raha tsy mahavita ny alehanao hianao, dia ho foana ny fiainanao.

Laisser un commentaire