Isaia 41:10

 » Aza matahotra hianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ ny tànana an-kavanan’ ny fahamarinako Aho « .

Avelao hiteny mivantana aminao Andriamanitra anio. Izao no teniny : Ry zanako feno tebiteby, inona no atahoranao ? Hadinonao ve fa Andriamanitrao Aho ? Miherikerika mandrakariva hianao ka izany no itebiteben’ ny fonao. Ary izay jerenao manodidina anao dia sady mahataitra no mamiravira anao ka ahianao sao hiafara amin’ ny aretin-tsaina aza. Izao anefa : Aza matahotra intsony hianao. Momba anao Aho sady hanampy anao amin’ izay sarotra rehetra. Hampahereziko hianao raha sasatra. Ho-tantanako amin’ ny tànako an-kavanana hianao raha reraka. Manjary hadinonao fa eto anilanao Aho, ka izany no anton’ ny tahotrao. Tsarovy fa sady Tsitoha Aho no be fitiavana anao, Andriamanitrao Aho : koa inona indray no atahoranao ? Aza matahotra, fa matokia Ahy.

Laisser un commentaire