Ezekiela 48:35

 » Ary ny anaran’ ny tanàna hatramin’ izay dia << Jehovah no ao >> « .

Teny farany ao amin’ ny bokin’ ny mpaminany Ezekiela ity. Avy nitantara momba ny nanafahana an’ i Jerosalema sy ny anorenana azy indray izy, ka nilaza ny hareny sy ny voninahiny. Vao izay izy vao nanonona ny anarany.

Anarana mahagaga sy mahafinaritra izy ity, fa hoe :  » Jehovah no ao « . Sambatra tokoa ny mponina amin’ izany tanàna izany, fa ho iray tanàna amin’ i Jehovah.

Fahitana momba ny zavatra ho avy no ambaran’ ny mpaminany eto, fa anjarantsika velona ankehitriny kosa ny mahita ny fanatanterahana izany. Isika no mponina ao amin’ ilay Jerosalema mitondra izao anarana izao :  »  » Jehovah no ao « . Iray tanàna amin’ Andriamanitra isika. Tsy lavitra antsika Izy. Ny fahoriantsika rehetra dia azontsika entina ho any Aminy, fa aty afovoantsika Izy. Feno hery sy fahasoavana Izy, ka manana amby ampy ho antsika rehetra. Mpiambina ny tanàna Izy ka miaro antsika mandrakariva. Lehiben’ ny tanàna Izy, ka ny Sitrapony no hanjaka ao. Sakaizan’ ny mponina rehetra Izy sady iankinan’ izy rehetra.

Laisser un commentaire