Apokalypsy 2:13

 » Fantatro izay onenanao « .

Fantany izay onenanao, dia ny tanàna sy ny trano ary ny efitra tsirairay izay misy anao. Isan’ andro sy isan’ alina no Itsinjovany azy. Fantany izay fiovana rehetra efa niseho, sady fantany koa izay hitranga amin’ ny ho avy. Fantany raha hifindra trano hianao, ary fantany ny toerana hifindrana. Fantany koa ny andro hialanao amin’ ny tranonao aty an-tany, ka eo am-panamboarana trano ho anao ao aminy Izy. Mandra-pahatongan’ izany anefa dia fantany izay onenanao sy izay rehetra manjo anao.

 » Fantatro izay onenanao dia ao amin’ ny toeran’ ny seza fiandrianan’ i Satana « , hoy ny teny manontolo. Ny fiangonana ao Pergamosy no nilazan’ ny Tompo azy. Dia nisy antony lehibe manokana izay nitsinjovany indrindra an’ ity fiangonana ity. Sao dia akaikin’ ny seza fiandrianan’ i Satana koa ny trano misy anao ankehitriny. Renao mandrakariva ny tabataba avy amin’ ireo olona tsy tia an’ Andriamanitra. Tsarovy anefa fa tsy irery hianao. Fantatr’ Andriamanitra izay onenanao sady fantany koa ny fahasarotana rehetra mahazo anao, ka tsy hamela anao ho resy Izy. Ary tsy hoe mahalala ny fonenanao ihany Izy, fa ho tonga hiara-mipetraka aminao aza hahazoanao mandrakariva ny hery sy fahasoavana avy Aminy.

Laisser un commentaire