» Fa nampahavesatra Ahy tamin’ ny fahotanao kosa hianao sy nanasatra Ahy tamin’ ny helokao. Izaho dia Izaho no namono ny fahadisoanao noho ny amin’ ny Tenako, ary tsy ho tsarovako ny fahotanao « .
Zava-mahatsiravina tokoa ny fahotanao. Nanasatra an’ Andriamanitra sy mampalahelo Azy isan’ andro izy ireo. Na dia izany aza, dia vonon-kamela ny fahotanao rehetra Izy, raha manenina sy mibebaka Aminy hianao.
» Izaho dia Izaho « , hoy Andriamanitra eto. Indroa no anononany ny Tenany. Satria tsy misy hafa tahaka Azy. Na dia izay manana fitiavana ambony indrindra aty an-tany aza, dia tsy maintsy ho tofoka ka hanalavitra ny mpanota. Andriamanitra kosa tsy mba manao izany. » Izaho dia Izaho no namono ny fahadisoanao, ary tsy ho tsaroako ny fahotanao « .
Andriamanitra be fahasoavana re izany ! Na dia efa nampahavesatra sy nanasatra Azy tamin’ ny fahotana aza hianao, dia hamono sy hanadio azy Izy. Sahala amin’ ny olona marina no hitondrany anao.
» Noho ny amin’ ny tenako « , hoy Izy koa. Eny, tokoa fa tsy misy antony hafa hahazoana famelan-keloka tanteraka tahaka izany.