Romana 8:38-39

 » Matoky aho … fa na inona na inona amin’ izao zavatra ary rehetra izao dia tsy hahasaraka antsika amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra izay ao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika « .

Fahatokiana mahagaga tokoa izany ! Na hery toy inona aty an-tany na amin’ ny helo, na olona ratsy na anjely ratsy, dia tsy misy hahasaraka ahy amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra. Matoky dia matoky izany indrindra aho.

Lozako tokoa raha ho voaroaka hiala ao an-tànam-pitiavan’ Andriamanitra aho, fa tsy hisy intsony hahatamana aty an-tany. Hankaiza moa aho raha tahiny tonga izay fotoana tsy hitiavan’ Andriamanitra ahy intsony !

Tsy hisy anefa izany andro izany na oviana na oviana. Raha tsy izaho tenako no manda ny fitiavana, dia tsy hisy hery na inona na inona hahasaraka ahy amin’ ny Fony feno fitiavana. Tsy hisy koa na inona na inona hahasaraka Azy tsy ho tia ahy.

Ary ho toy izany no Itiavany ahy anio.

Laisser un commentaire