Romana 8:33-34

 » Iza no hiampanga ny olom-boafidin’ Andriamanitra ? Andriamanitra no manamarina azy. Iza no manameloka ? Kristy Jesosy no efa maty « .

Fandresem-pifaliana manao ahoana re izany ! Maro no miampanga ny olom-boafidin’ Andriamanitra, ary mazàna rariny no anaovany izany. Raha heverina izany, dia tsy maintsy hahatsiaro menatra isika ka hanaiky am-pisentoana lalina fa marina ny iampangany antsika.

Koa aiza izany fandresem-pifaliana ? Izao no Izy : Maty ny fiampangana rehetra satria miandany amin’ ilay ampangaina ny mpitsara. Efa nisy sahady izay nisolo voina ny olo-meloka, ka ataon’ ny mpitsara hoe afaka.

Dia voatery hangina ireo feon’ ny mpiampanga rehetra. Iza no manameloka ? Kristy no efa maty. Misolo ny mpanota Izy. Miala amintsika ny fiampangana ka mihatra amin’ Ilay Mpisolo antsika kosa. Iza no hiampanga ny olom-boafidin’ Andriamanitra ! Andriamanitra no manamarina azy.

Laisser un commentaire