Salamo 84:3

 » Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany, dia ny alitaranao, Jehovah Tompon’ ny maro « .

Ilain’ ny manan-aina rehetra ny toerana hialana sasatra : Manana izany ny voro-manidina, dia ilay akany fialofany sy ialany sasatra rehefa avy manidina mandritry ny andro. Toerana mangina sy feno fiadanana izany.

Raha jerena avy aty ivelany ny akanin’ ny sidintsidina dia ratsy tarehy. Tsy mampaninona ilay vorona anefa izany, fa tiany ery. Malemy sy mafana mantsy ao anatiny, ka manjary toerana mamy indrindra. Sady ialana sasatra no andrakofana ny zanany io toerena io, ka ahatsiarovany fahafinaretana tokoa.

Ilain’ ny fanahintsika koa ny toerana fialan-tsasatra. Mety ho sasatry ny fanidinany ny vorona, fa vao mainka mety ho sasatry ny ady mafin’ ny fiainana ny fanahin’ olombelona. Ary isaorana anie Andriamanitra fa misy tokoa ny toerana hahitany fitsaharana, dia ny alitaran’ i Jehovah. Toerana andatsahana ny ran’ ny fanatitra ny alitara, ka toeram-pampihavanana na toeram-panavotana.

Fa izay toeram-panavotana hialan’ ny fanahy sasatra indrindra, dia Golgota. Tsy maha te-hijery izy raha tazan-davitra, eny, mahatafintohina ny maro aza. Fa amin’ ireo izay mitady fialan-tsasatra sy fialofana noho ny nivesaran’ ny fahotany, dia akany mamy sy feno toky izy. Eo amin’ ny alitaran’ i Jehovah, izany hoe : ao amin’ ny hazofijalian’ i Kristy no ahazoan’ ny fanahy fitsaharana tanteraka, fa voahodidina ny fanavotan’ i Kristy.

Laisser un commentaire