1 Jaona 3:20

 » … na amin’ inona na amin’ inona no anamelohan’ ny fontsika antsika, satria Andriamanitra lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra « .

Mety mandefitra izany. Indraindray dia eo anatrehan’ ny namana no mazàna isehoan’ izany fo mafy tsy mety mandefitra izany. Indraindray dia eo anatrehan’ ny tena koa no isehoany, ka mety ho mafimafy kokoa aza izy amin’ izany.

Eo am-panamelohana ny tenantsika no tena isehoan’ ny tena haben’ ny ditran’ ny fo. Ny tenin’ Andriamanitra aza no entiny hanameloka, sady marina ny teny lazainy. Mankarary indrindra ny fanamelohana ataony, ka maniry azy hangina isika, kanefa mbola miampanga sy manameloka ihany izy. Ny hiafarany dia hialan’ ny fifaliana sy ny fahatokiana ary ny fiadanana. Ny hany sisa ananana dia fisentoana lava sy alahelo miantso hoe : Fihatsarambelatsihy ihany no maha-kristiana ahy.

Mampisaotra an’ Andriamanitra anefa fa misy Anankiray Izay lehibe noho ny fontsika. Ao amin’ ny Soratra Masina no hahitantsika azy ka Izy no tsy maintsy hialofantsika. Manafaka antsika Izy ka manao hoe :  » Aza ny fonao no jerena, fa Kristy. Izy no nisolo anao sady nanavotra anao. Tsy hainao ny hamonjy ny tenanao tsy mahomby, fa Kristy no mahay. Aza manaraka izay lazain’ ny fonao. Zavatra hafa no anorenako ny Fitsaràko. Kristy irery ihany no hahazoanao fahafahana sy famotsorana « .

Laisser un commentaire