Isaia 41:6

 » Samy nanampy ny namany avy izy rehetra, ary samy nilaza tamin’ ny rahalahiny avy hoe : Matokia. « 

Mahafinaritra izany teny izany, saingy matetika dia tsy hita tanteraka loatra. Ny hita kosa dia izao ihany : fifosana sy fanomezan-tsiny. Manjaka be ny tsy fifankatiavana na dia amin’ ny mpirahalahy kristiana aza.

Mifampialona sy mifampiahiahy ary mifampikirakira izy, hany ka miala tsikelikely ny fifankatiavana sy fifampitokiana.

Ilaina ny ifampiankinan’ ny samy kristiana. Tsy misy izay ampy hery sy tanjaka ka tsy mila ny fanampian’ ny namany. Mangetaheta fitiavana koa ny maro. Tsy misy mandroaka ny hatsiaka sy ny faharatsiana toy ny fitiavana. Mahatonga firaisana mahafinaritra izy sady mahatanteraka tokoa ilay teny teo hoe :  » Samy nanampy ny namany avy izy rehetra, ary samy nilaza tamin’ ny rahalahiny avy hoe :  » Matokia ! « .

Hifanerasera amin’ ny olona maro hianao anio, ary tsy isalasalana fa misy amin’ ireo izay mila ny fanampianao. Raha manana fitiavana hianao dia hahita hevitra sy làlana hombana hamonjenao azy. Raha misy hitanao fa kivy sy mila hamoy fo dia ilazao hoe :  » Matokia ! « . Eo am-pamonjena ny namanao dia mamonjy tena hianao. Ahazoan’ ny tenanao fifaliana indrindra ny mampifaly ny namana.

Laisser un commentaire