» Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’ Andriamanitra « .
Ny hoe : » Izay tia an’ Andriamanitra « , no fanalahidy hahafantarana izay tena hevitra vaofono amin’ ity teny ity. Mazàna tsy takatry ny saina izay ataon’ Andriamanitra, fa izay tia an’ Andriamanitra, dia tia ny Sitrapony koa. Ary izay heverin’ Andriamanitra ho tsara, dia heverin’ izay tia Azy ho tsara koa.
Izay tia an’ Andriamanitra dia tsy mikendry na mikatsaka zavatra hafa, afa-tsy izay an’ Andriamanitra. Tsaroany fa tsy tompon’ ny tenany izy, fa izay iheveran’ Andriamanitra ny tenany no tiany iheverana azy koa, tsy mitady izay an’ ny tenany izy. Izay hitany ho tombon-tsoa ambony indrindra dia hahazo ny fiainana mandrakizay.
Koa izany no ahafantarany mahamarina an’ ity hoe : » ny zavatra rehetra dia miara-mahasoa. » Tsy mahatakatra izany mandrakariva ny sainy, nefa fantany ihany. Ahazoany fampiononana sy fiadanam-po mahagaga izany.
» Ny zavatra rehetra » na dia izay sarotra sy mampijaly aza, dia hahasoa, fa samy miara-miasa hahatanteraka izany. Ny hery rehetra, na ny tsara na ny ratsy dia miaraka ka mikambana ho hery lehibe anankiray izay hahasoa ny fanahy hahazoany ny fiainana mandrakizay. Ho tsara sy feno fiadanana ny fiainana aty an-tany amin’ izany, eny na dia ny fijaliana aza, dia hahazoana soa.