» Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahavoahombo izao tontolo izao tamin’ ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izao kosa, raha ny amin’ izao tontolo izao « .
Tokony ho teny avy amin’ ny fon’ ny kristiana rehetra izao : » Raha ny amiko, dia voahombo tamin’ ny hazo fijaliana izao tontolo izao. » Izany hoe : tsy noheveriko ho zavatra intsony izao tontolo izao. Ny fahafinaretany mbamin’ ny fifaliana maro samy hafa izay omeny dia tsy mampiraika ahy intsony. Voahombo amin’ ny hazo izy ka sahala amin’ ny maty amiko.
Ary » raha ny amin’ izao tontolo izao dia izaho kosa no voahombo tamin’ ny hazo fijaliana. » Tsy mahazo hihevitra ahy ho namany izao tontolo izao. Raha misy zavatra kasainy hatao, dia tsy azo antsoina aho, fa sahala amin’ ny olona efa maty eo anatrehany aho.
Misy ihany anefa izay tiako hatao ho an’ izao tontolo izao, dia ny hanolo- tena hamonjy azy. Kristy dia mety hamonjy ny taranaka mpanota, ka te-hanaraka ny Nataony aho. Na dia tsy afaka hanaraka izany ara-bakiteny aza aho; dia izao no faniriako : ny hanolotra ny tenako ho fanatitra velona isan-andro mba hahazoako hitaona ny olon’ izao tontolo izao ho amin’ i Jesosy.
Tokony ho fanirian’ ny kristiana rehetra izany voalaza izany, saingy lavitr’ izany ny maro, fa miray fo kosa amin’ izao tontolo izao sady miaina amin’ ny rivotra ratsy avy aminy. Tsy kristiana marina izy. Tsy mamoa izy. Sao naman’ ireny hianao ? Enga anie ka ho kristiana tahaka an’ i Paoly hianao, izay tsy naman’ izao tontolo izao, fa vonona hanolotra ny tenany hamonjy azy.