» Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao « .
Mahalala ny fahorianao Andriamanitra. Rainao Izy ka manana fo mangoraka anao. Fantany tsara fa mijaly hianao sady hainy koa ny hamonjy anao ho afaka amin’ ny fahoriana. Zavatra efa nangatahinao taminy izany, ary angamba mety hanome avy hatrany izay ilainao Izy.
Fa raha tsy Ataony izany, dia satria hitany fa hahasoa anao ny fijaliana. Izao anefa no mba tsarovy : Fantany ny fahorianao. Tsy mitondra azy irery hianao, fa miara-mitondra azy aminao Ilay tia anao.
Mahatsiaro mahantra noho ny fahorianao hianao, ka vao mainka mampitombo ny fijalianao izany. Nefa raha eo am-pisentoana noho ny fahantranao hianao dia indro fa faly Andriamanitra milaza aminao hoe : » manan-karena hianao « . Ao amin’ Andriamanitra ny harenao. Ilay fijaliana nahazo anao no nampiharihary izany taminao.
Aza avela hampamoy fo anao ny fahorianao, izay fantatr’ Andriamanitra. Aza malahelo koa ny fahantranao, fa ataon’ Andriamanitra hoe : manan-karena hianao.