» Dia homeko anao ny rakitra ao amin’ ny maizina sy ny harena nafenina ao amin’ ny mangingina mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah Izay miantso anao amin’ ny anaranao, dia Andriamanitry ny Israely « .
Tsy fantatsika izay rakitra sy harena voatahirin’ Andriamanitra ho antsika. Izay anjarantsika dia ny handray azy.
Ao amin’ ny maizina anefa ireo rakitr’ireo. Koa raha hahazo azy hianao, dia voatery hampiditra anao anatin’ ilay toeran-drakitra maizina Andriamanitra. Nony tonga ao hianao, dia misy zavatra apetrak’ Andriamanitra ao an-tànanao. Raha tsy arianao izy, fa tananao ambara-pivoakao amin’ ny mazava, dia ho hitanao fa rakitra saro-bidy izany zavatra noraisinao izany. Ho faly indrindra hianao ka hisaotra Azy amin’ ny fonao tokoa noho ilay toerana maizina nampidirany anao.
Hoy koa ity teny ity : Homeko anao ny harena nafenina ao amin’ ny mangingina.
Isaky ny idiranao ao amin’ ny efi-trano mangina ka ho irery eo anatrehan’ ny Tompo hianao, dia mahazo harena lehibe. Ary raha te-hanana harena betsaka hianao dia midira matetika amin’ ny efitranonao mangina ka mahareta mivavaka amin’ ny Rainao.