Matio 11:28

 » Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa izaho no hanome anareo fitsaharana « .

Maninjitra ny tànany Jesosy ka miantso am-pitiavana hoe :  » Mankanesa aty amiko hianareo rehetra « . Tsy misy izay mpanota lehibe loatra na ratsy fanahy loatra, ka tsy havela hanota. Tsy misy izay vesaram-pahasahiranana be loatra ka horaràna hankany amin’ i Jesosy. Na mafy fo ny olony na osa, na olo-meloka, na olon-tsarotra, na iza na iza dia samy aninjiran’ i Jesosy ny tànany ary samy iantsoany hoe :  » Mankanesa aty amiko hianareo rehetra ! « .

Hianareo izay misasatra sy misahirana, hianareo izay mijaly sy mivesatra entana, hianareo izay tsy mahita làlana hombana intsony, hianareo rehetra rehetra, mankanesa aty amiko !

 » Fa hanome anareo fitsaharana Aho « . Aty amiko no hahitanareo fandraisana feno fitiavana, famelan-keloka, fiadanana. Aty amiko no hahazoanareo handoatra izay ao am-po. Dia hamboariko izay rava sy tsy mety amin’ ny fiainanareo. Hovohako ny gadra mamatotra anareo. Hesoriko ny enta-mavesatra mampitanondrika anareo. Hataoko izay hanadinoanareo izay nanahirana teo aloha. Indro, fa mihinjitra ny Tànako anankiroa. Avia re, dia hahazo fitsaharana tanteraka hianareo.

Laisser un commentaire