» Fa Andriamanitra hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo, araka ny hareny amin’ ny voninahitra ao amin’ i Kristy Jesosy « .
» Izay rehetra tokony ho anareo « , izany hoe : izay rehetra ilainareo na inona na inona tsy misy fetra. Dia izay ilain’ ny fanahinao aloha : famelan-keloka, hery fandresena, fahendrena, fanoroan-dàlana, faharetana, fahazotoana mivavaka. Voafaoka ao koa izay rehetra tokony ho an’ ny tenanao mbamin’ ny fianakavianao ary izay ilaina momba ny asa aman-draharahanao sy ny fahasalamanao amin’ izao andro anio izao na amin’ ny andro ho avy. Azo hapetraka amin’ Andriamanitra avokoa izany rehetra izany, ka hotanterahiny. » Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin’ ny voninahitra ao amin’ i Kristy Jesosy « .
Ny fahantranao dia hosoloana ny haren’ Andriamanitra. Tsy mahihitra Andriamanitrao. Tsy misy fetra ny fanomezany, fa manome malalaka hahasoa ny zanany Izy. Mpanan-karena koa Izy; ka amin’ ny habetsahan’ ny hareny no anovozany. Koa raha mihevi-tena ho mahantra hianao dia avy aminao izany. Lazao Aminy izay ilainao, na inona na inona, fa hahatanteraka izay rehetra tokony ho anao Izy araka ny hareny lehibe.