» Ary Abrahama nitsangana niala teo anilan’ ny fatin’ ny vadiny dia niteny tamin’ ny taranak’ i Heta ka nanao hoe : Vahiny sy mpivahiny eto aminareo aho; omeo tany fandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny fatin’ ny vadiko « .
» Vahiny sy mpivahiny aho « . Lesona sarotra ianarana izany. Fitaizana mafy sy manokana no mazàna tsy maintsy itaizan’ Andriamanitra ny olona vao mahay azy izy.
Teo anilan’ ny fatin’ i Saraha no nianaran’ i Abrahama azy, indrindra fa tamin’ iny nihatahany taminy iny rehefa handeha hitady toerana handevenana azy. Noho ny naha-vahiny azy dia voatery hangataka tany handevenana ny vadiny izy.
Na dia tompon’ ny tany fandevenana aza ny maro amintsika, dia mahatsiaro vahiny aty an-tany ihany rehefa misy maty ny havantsika. Ary rehefa tonga ny fotoana hialan’ ny tenantsika aty, dia vao mainka hahatsiaro ny maha-vahiny sy mpivahiny antsika isika.
Tsara anefa raha tsaroantsika mandrakariva izany. Tsy tena fonenantsika ity tany ity. Any ambony any no misy azy, ka any no hizorantsika. Any no hiandrasan’ ny havantsika antsika. Any no hitsenany antsika handraisany antsika am-pifaliana. Any tsy hisy intsony izay haha-vahiny sy mpivahiny antsika, fa ao an-tranon’ ny Raintsika isika.