» Ankehitriny aza dia zanak’ Andriamanitra isika. «
Zava-mahafinaritra tokoa ny hoe zanak’ Andriamanitra, dia zanak’ Ilay Ambony indrindra.
Ahazoana toky lehibe sy mahagaga ny ho zanak’ Andriamanitra. Tsy ara-dàlana raha manana ahiahy ny zazakely, fa manambara aretina izany. Matoky ny rainy ny zaza. Fantany fa miahy azy rainy. Noho izany dia apetrany eo am-pelatànan-drainy ny fiahiana rehetra. » Fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany « . Mat. 6.32.
Manana ny atao hoe zon’ ny zaza ny zanak’ Andriamanitra. Na dia tsy manana na inona na inona aza izy, dia manan-karena ihany, satria mpanan-karena ny Rainy any an-danitra. Fantany izay hivantanany rehefa misy zavatra ilainy. Dia ho raharahan-drainy ny hanapa-kevitra na hanome azy izay angatahiny na tsia. Izy no mahalala izay mahasoa. Izay zanak’ Andriamanitra dia tiany. Fitiavana no itondran’ ny Ray any an-danitra azy. Na dia hitany aza fa mila famaizana indraindray ilay zaza, dia fitiavana ihany koa no amaizany azy. Eo am-pelan-tànan’ ny Ray be fitiavana ny tena amam-panahiny, ka mahazo zava-tsoa mandrakariva, dia famelàn-keloka, toro-hevitra mahasoa, fanampiana, fikarakarana, – eny, ny zavatra rehetra ilainy.
Isaorana anie Andriamanitra noho ny nananganany antsika ho zanany !