» Fa hianao no ialofan’ ny fanahiko; eny, ao amin’ ny aloky ny elatrao no ialofako mandra-pahalasan’ ny loza. «
Fanoharana no hita eto, dia ity : Ao amin’ ny akany kelin’ ny zana-borona sy ny reniny. Injay, fa tonga ny voromahery ka manidina eo ambonin’ ilay akany. Ren’ ny zana-borona ny tabataba ( fisiosioka na faneno ) avy amin’ ny elatr’ ilay voromahery ka mitebiteby mafy ny fony. Indro fa mamelatra ny elany ilay renivorona ka misy hialofan’ ny zanany. Dia mahazo toky izy. Na dia mbola manidina eo ambonin’ ny lohany aza ilay voromahery, dia tsy misy atahorany intsony.
Tsaroantsika koa indraindray fa misy loza manatona. Dia mitady famonjena sy fialofana isika. Ao amin’ Andriamanitra ihany no hahitana izany, ka dia milaza Aminy am-pahatokiana isika hoe : » Hianao no ialofan’ ny fanahiko; eny ao amin’ ny aloky ny elatrao no ialofako mandra-pahalasan’ ny loza. «