» Fa ataoko fa ny fahoriana amin’ izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin’ ny voninahitra izay haseho amintsika. «
Mazàna mahafeno ny fo aman-tsain’ ny olona ny fijaliana entiny. Avy amin’ izany dia saiky ny momba ny tenany ihany no eritreretiny andro aman-alina. Mety hanjakan’ ny fitiavan-tena mihitsy izy, ka tsy afaka handray ny fitahiana izay nokendren’ Andriamanitra homena azy amin’ ny alalan’ ny fijaliana.
Sarotra mantsy ny mahatakatra izay anton’ ny fijaliana ary sarotra koa ny mitondra azy ka tsy ho reraka. Fa raha ampitahaina amin’ ny voninahitra mbola hiseho amintsika amin’ ny ho avy izy, ka hohitantsika amin’ ny fahazavana avy amin’ Andriamanitra, dia hisy valiny ny fanontaniantsika maro, sady hahazo hery hiaritra koa isika. Raha ny any an-koatra no banjinin’ ilay mijaly ka misaina ny voninahitra miandry azy, dia afaka tsikelikely amin’ ny fiheverany ny tenany izy sady mety manadino ny fanaintainany sy izay rehetra manjo azy. Na dia ao anatin’ ny fijaliana mangidy aza izy, dia mety hahatsapa fifaliana sy hery mahagaga. Izany fiheverany ny ho avy izany no fanantenana mamirapiratra ao amin’ ny alina maizina iainan’ ny olona mijaly.