« Jehovah no fialofanao eo amin’ny ankavananao. » Tahaka ny tsy isarahan’ny alokao aminao, no tsy isarahan’Andriamanitra aminao. Raha ao ivelan’ny trano isika, ka tsy takona ny masoandro na ny volana dia hitanao fa akaiky anao ny alokao. Tahaka ny anakekezan’ny alokao…
Catégorie : VATSY ANIO
« Indro tsy matory na rendrehana ny Mpiaro ny Israely. Jehovah no Mpiaro anao. « Raha sasatra ny olona dia te-hatory. Mety ho resin’ny torimaso ny mpiambina amin’ny alina. Loza ny torimasonao. Raha matory ny mpiambina, dia mety ho tonga ny…
« Manopy ny masoko amin’ny tendrombohitra aho; avy aiza ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah Mpanao ny lanitra sy ny tany. » Ity olona anankiray sahiran-kevitra mitsangana mijery ny tendrombohitra. Aiza no hahazoany famonjena? Dia miteny amin’ny teniny…
« Handroso eo anoloanao Aho ary handravona ny mikitoatoana, ary hanorotoro ny varavarana varahina, ary hanapaka ny hidy vy. » Mampiasa teny mavesa-danja Andriamanitra eto amin’ny anehoany ny zavatra misakan-dàlana ny olony manatona Azy. Ary izao no teny voalaza eto: Mikitoatoana, varavarana…
« Izao no lazain’i Jehovah, ny Iray Masin’Israely, dia ny namorona azy: Ny amin’ny zavatra ho avy no anontanio Ahy; ary ny zanako sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany. » Ny zavatra ho avy. Inona izany? Ny zavatra ho…
« Mifohaza tsara. » Mifohaza tsara. Maro ny olona kivikivy na ketraka am-panahy. Varian-kevitra amin’izay tsara tokony hataony izy. Milaza izy fa tsy hanota, nefa manota. Mivavaka amin’ny molony izy fa manozona amin’ny fony. Amin’ny fotoana isehoam-pihetseham-panahin’ny sasany dia mba mihetsika na…
« Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko, dia tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao. » Toa tsy nety nihaino sy nanaraka ny didin’Andriamanitra ny olona Israely fahiny. Misento Andriamanitra, amin’ny teny eto, mihevitra…
« Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko, dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao. » Teny mahafinaritra ny hoe fiadanana. Nefa mainka mahafinaritra ny ananana ny fiadanana. Azo ampitahaina amin’ny ony ny…
« Takatry ny sainao va ny fomban’Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha? « Ny tsi-finoana sy ny famoizam-po dia mihevitra ny fahasoavan’Andriamanitra ho misy fetra sy mitarika ny manana azy hisalasala ny amin’ny herin’Andriamanitra sy ny Fitiavany ny olombelona,…
« Ny anjely rehetra dia fanahy manompo, nirahina hanao fanompoana ho an’izay handova famonjena. » Misy anjely manodidina anao, antokon’ny miaro anao fony hianao mbola zaza, ary miaro anao mandrak’ankehitriny. Irak’Andriamanitra hanompo sy hanampy anao. Miambina anao izy, raha matory hianao. Eo…