« Ary sedra nisy mpisorona anankiray nidina tamin’izany làlana izany, ary raha nahita an-dralehilahy izy dia nandalo azy » Lioka 10.31 Mahamenatra ity hoy isika raha mamaky azy. Pastora ve ? Manantena asa soa avy amin’ny pastora mandrakariva ny olona, kanefa indrisy fa…
Catégorie : VATSY ANIO
« Iza no lehilahy matahotra an’Andriamanitra ? Izy no hampianariny izay làlana tokony hofidiany » Salamo 25.12 Mahery tokoa ny finoana ka ahazoana izay irina. Amin’ny fanjakan’Andriamanitra dia tena làlana ny hoe : tongava aminareo araka ny finoanareo. Mampihetsika ny herin’Andriamanitra Tsitoha ny finoana….
« Tongava aminareo araky ny finoanareo » Matio 9.29 Tsy mba mora akory ny mitsangana eo an-tsampan-dalana ka tsy mahalala ny làlana hombana. Ny mifidy làlana diso dia mety mahatonga fijaliana tsy nampoizina ary manary fotoana maro foana. Fa izay matahotra an’i…
« Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy » Matetika dia misy fisentoana ao am-pontsika hoe: Hataoko ahoana no hahatonga ny hevitro ho madio. Sarotra moa ny mamolaka ny hevitsika…
« Jehovah no fahazavako. » Ry Jehovah ô, aza avela ho ao amin’ny maizina ny fanahiko. Aza manaisotra ny fahazavanao amiko. Sady mangatsiaka no maizina izao tontolo izao. Maro amin’ireo zavatra nanazava ahy ka nahafinaritra ahy no efa nesorinao, ka…
« Ataovy ny zavatra rehetra amin’ny tsi-fimonomononana. » Tsy rariny ho an’ny kristiana ny mimonomonona. Ny toerana iasanareo dia mety tsy ho mora, ary maro ny fahasahiranana mahazo anao isan’andro, ka tsy mahagaga raha sasatra hianao. Fa raha izay no…
» Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah : na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy. « Fitiavana mahagaga ity. Famindrampo…
<< Raha tevatevaina izahay, dia misaotra; raha enjehina, dia miaritra; raha tenenina mafy dia mamaly teny moramora kosa; atao toy ny faditr’izao tontolo izao izahay, dia faikan’ny olona rehetra, mandrak’ankehitriny. >> Asa na misy kristiana maro ankehitriny izay afaka hilaza…
<< Izaho hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany. >> Amin’ny Zanak’Andriamanitra dia misy mandrakariva ny fanantenana ny amin’ny ho avy, ka ny famoizam-po ario. Aza mitahiry ny fotoanao maizina efa lasa. Aza mibanjina foana ny zava-manahirana. Aza mamerimberin-kevitra ny amin’ny…
» Sambatra ny malahelo am-panahy fa azy ny fanjakan’ny lanitra » Izany no lalàna ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra voalazan’i Jesosy am-panahy. Ireo malahelo am-panahy ireo dia manahy fa sao tsy hahazo ny fahasambarana mandrakizay, satria mahalala ny tsy fahombiazany. Mihevitra ny tenany…